Concert HANANDRA-PEO

Hanandra-peo aho

Tsy mihato ny dia fa mizotra hoany aminao
F’Ianao ’lay nitantana hatrizay, ho mandrakizay
Ny fahasoavanao no nahatoa izao anay
Isaorana ianao ’lay nanome izao talenta izao
Isaorana Inao Ray, Ianao Ray
Ny herin’ny tananao
Deraina Ianao Ray, Ianao Ray
Tsy hay ny hangina ka izao
Hanandra-peo aho, noho ny anaranao
Andeha aho fa irakao aho
Ka ny eran-tany hihaino
Ny anaranao, ny fitavanao
Hihira aho ho ANAO
Homenantra Anao Jesô Kristy izay miady aminao
Raha ny hisaraka aminao dia ho sanatria
Afaka mirehareha izay manana Anao
Ka matoky aho fa Ianao ilay tsy mandao

Isaorana Inao Ray, Ianao Ray..................
Hanandra-peo aho, noho ny anaranao ...........

Mila anao

Ankehitriny aho dia miaky fa
Anao ‘zao rehetra izao
Tsy misy zavatra izay tsy azonao atao
Andriamanitra Tsitoha, ‘lay Tompon’ny Tompo
Tsy anenenako ny manompo Anao
Na andeha ho aiza aho na aiza aleha,
Tsy ahita toa Anao
Fitiavana mandrakizay no itiavanao ahy
Fa na dia mpanota aho, tsy mba nolavinao
Tsy hoadinoko ny namonjenao ahy
Mila Anao ny fianako sy izay rehetra momba ahy
Na ny fo, saina, fanahy, Tompo ô ! mila Anao e !
Mila Anao foana aho
N’inona n’inona atao, n’aiza n’aiza aleha
Ny amiko atolotro Anao
Ny foko omeko Anao anjakao
Na andeha aiza aho na aiza aleha,......
Mila Anao aho, mila anao, mila anao Tompô!

Hamoram-ponao

Ampahafantaro ahy ny sitraponao
Amorony fo vaovao indray
Miangavy aho ry Ray
Haiko fa Ianao no IZY
Ilay Alfa sy Omega
Ianao (eny) Ianao
Ao aminao, ô ! ô ! ô ! ô !
Ambany elatrao. ouh ouh ouh !
Tsy sasatra Ianao, miandry ahy
Any amin’ny toerana misy Anao
Izay iriko, hitoerana koa
Ilay lova omaninao ho ahy
Aoka ho feno teninao
Vontosy tanteraka aho
Aoka ho kasihinao
Aoka ho feno teninao

Sakaizanao

Na sarotra ny lalako androany
Na mavesatra ny entako omaly
Misy Anao aho mizara hafaliana
Maivana ny fo
Ny tiko ? akaiky Anao
Hihazona, ny tànanao
Homalalanao
No Fiantsonao ahy
Tsy mpanompo fa sakaizanao
Satria tsy mpanompo intsony aho,
Fa sakaizanao
Ny herinao, manerana ny tany
Ny fitavanao, fitia tsy mba lany
Jesô ô! Ianao no andrandraiko
Ampiorina ahy
Ny tiko ? akaiky Ana...........
lanao efa niteny,
Izay tsy miray aminao dia very, tsinontsinona
Fa mamoa bebe kokoa, mihoatra izay vita taloha
Raha miaraka aminao
N'aiza n'aiza misy ahy, eo foana lanao

Fanahy Masina

1- Maizina ny lalana halehako
Mianatra mamindra raha ny tongotro
Dia tsy hanana ahiahy aho
Satria ianao lay fanahy
Mitari- dalana ahy
2- Raha tonga ny andro maha ory ahy Na ireo fahavalo miady hamotika ahy
Dia tsy mba ho kivikivy aho satria Ianao 'Lay Fanahy mampahery ahy
3- Miatrika ireo sedra ady maty ety Ireo fakampanahy hanakana ny dia
Dia mahatoky manana Anao
Ianao Fanahy 'lay
Fanahy manolo-tsaina ahy
4- Eo indray ireo andro fifaliako
Tiako tsy adinoko velona ato ampoko
Fa dia ianao ilay mameno ahy hatramin'izay
Ilay Fanahy mikarakara ahy
Fanahy ô! Fanahy Masina ô!
ILaiko Ianao
Hisaorako Anao
Ny fitiavanao Sy ny Fanatrehanao

Talahom-bavaka

Tompo ô! Mitalaho aho
Tompo ô! Miandry fatratra aho
Mitalaho famindram-po avy aminao
Mba henoy re Tompo ô!
Tompo ô! Raha sitrakao
Omeo hery avy aminao
Ka na reraka aza aho indrindray
Dia ho maivana ny adiko
Satria eo ianao
Mpampahery tsy mandao
Ka tsy hokivy aho Tompo ô!
Isy horesy aho noho ianao
Ianao irery lhany no afaka mampahery ahy
Mampisinda ahiahy
Ka mampandresy, mampijoro
Vatolampiko ianao
Satria eo ianao......
Izay no talahom-bavako
Mitalaho ka mba henoy Tompô!

Sambatra aho

Maharavo ahy Ray Ô!
Ny fitahianao ahy
Mahafaly ahy Jesô!
Ny famonjenao
Mahamirana ahy Fanahy
'Reo tolon-tsainao ka hoy aho hoe:
Sambatra aho, tretrika aho, mirana aho
Manana anao
Faly ny fo, Ravo tokoa
Ka misaotra Ray
Zanaka Fanahy
Tsy manam-paharoa ary
Tsy manan-tsahala
Miavaka aho satria
Miaraka aminao
Tsy anenenako
Ny miaraka aminao
Ampiorenako ny fitiavanao
Fatratra loatra ianao
Mahery Tompô, ka hoy aho hoe :
Sambatra aho, tretrika aho, mirana aho
Manana anao
Faly ny fo, Ravo tokoa......

Ny Fisianao

Mba omeo fo,
Ahaizako manoa
Entiko miaina
Mandra-pialako ety
Tena mamy ny foko
Tena tsy foiko, ny anilanao
Averiko Tompô! Tiako ianao *2
Ny fisianao sarobidy amin'ny fiainako
Ny fisianao mampamiratra ny lalako
Ny fisianao tsy ahatsiaro irery intsony aho
N'aiza n'aiza aho, n'inona n'inona ataoko
Ny tananao mitantana ahy
Ny masonao mijery ahy
Mba omeo fo,
Tahaka ny anao
Ahaizako mitia
Mandra-pialako ety
Fa tena faniriako sy tena tiako
Ny ho toa anao
Averiko Tompô! Tiako ianao
Ny fisianao sarobidy amin'ny fiainako......

Be Fiadanana

Reko ny antson'ny Tompo manako ao ampoko ao
Hitory fiadanana amin'ny Anarany
Olona maro sy ireo hava-tiana no tsy nandre
Tapaho re ny hevitra hijanona ve sa handeha
Tokana anefa ny valiny handrasany aminao
Fa maika tsy tambo isaina ny asany
Ka aza variana mihevitra izao tontolo izao
Raiso ny ampinga tano ny finoana
Inty aho Tompo ô! Iraho aho Tompo ô!
Atolotro ho Anao afoiko ny tenako
Indro raiso ny tanako
Hamasino ny vavako
Hitory fidanana amin'ny havako
Ka na lala- miakatra e!!
Na fidinana sarotra e!
Hombako ampahatokiana ny asa atolotrao
Be Fiadanana anie izay tia ny lalanao.
Handova ny lanitra sy fiainam- baovao.